1 Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah , akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. 

2 Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.

3 Kanjo Hianao, Jehovah , no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4 Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy. 

5 Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.

6 Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7 Mitsangna, Jehovah ; vonjeo aho, Andriamanitro ; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.

8 An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao*.[Na: Ho amin'ny olonao ny fitahianao]
